Fito volana taorian’ny nampidirana am-ponja vonjimaika ny Jly Ravalomanana Richard, teny amin’ny fonjan’ Imerintsiatosika, hiakatra fitsarana ao amin’ny ady heloka bevava Anosy, anio, ny tenany, raha tsy hisy ny fiovana. Maro ny vesatra hanenjehana azy, raha ny angom-baovao. Anisan’izany ny ny fanohintohinana ny fiandrianam-panjakana, firaisana tsikombakomba tamin’ny heloka bevava samihafa, toy ny famonoan’olona sy fandratrana olona niniana natao. Miampy ny fisandohana andraikitra ho mpibaiko ny zandarimaria hampiasa hery famoretana amin’ireo vahoaka mpanao fihetsiketsehana tamin’ny volana septambra 2025. Andrasana, araka izany, ny fotoanan’ny fitsarana sy ny valin’izany.
Tsiahivina fa nosamborin’ ny mpitandro filaminana teny Ambatovinaky izy, ny 27 desambra, tamin’ny taon-dasa. 22 andro taorian’io, naiditra vonjimaika am-ponja eny
amin’ny fonjan’Imerintsiatosika, ny 19 janoary 2026 lasa teo rehefa avy nohenoin’
ny mpitsara mpanao famotorana.
Ankoatra izay, mbola misy ny olona teo anivon’ny fitondrana teo aloha mbola miandry fotoam-pitsarana, tahaka ity Jly Ravalomanana Richard ity ihany koa. Anisan’izany, Rakotomanga Rinah, izay voarohirohy tamin’ny resaka fanohintohinana ny fitondrana sy fandikan-dalàna samihafa.
Mino




