Fandraharahana: hiara-hiasa ny UniPod sy ny MDE

Tanjona napetraky ny Pôle entrepreunariat– hub entrepreneurial 2026, andiany voalohany, ny hanovana ny hevitra sy vokatry ny fikarohana ho lasa orinasa sy harena ho an’i Mada­gasikara. Mifanaraka amin’ny vinan’ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambaratonga am­bony sy ny fikarohana ara-tsiansa, amin’ny alalan’ny UniPod, eo ambany fitanta­nan’ny Fitaleavan’ny fikaro­hana sy ny haivao izany. Mahatonga ny minisitera hanohana ny hetsika. Noka­rakarain’ny “Maison de l’entrepreneuriat”, niaraka tamin’ny “Economic Development Board of Madagascar (EDBM), tamin’ny alalan’ny Tetikasa Itovia izy io, hanampiana ireo tanora sy mpamolavola tetikasa hamadika izany ho tetikasa azo tanterahina sy maharitra. Hahazoana ireo vaovao sy tambajotra ilaina amin’ny fampandrosoana izany. Fotoana iray ihany koa io nampivondronana ireo oniversite, ivontoeram-pikarohana, orinasa, mpandraharaha, mpamolavola tetikasa, mpamatsy vola ary ireo rafitra mpanohana.
Nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny MDE sy ny UniPod ary ireo mpisehatra samihafa ho fanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny fanavaozana eto Mada­gasikara. Narahina famelabelaran-kevitra sy atrikasa izany. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ratsimbasoa Claude Arsène.

Vonjy

Partager sur: