Jeneraly RAVALOMANANA RICHARD: nomelohina 10 taona asa an-terivozona

Migadra 10 taona, asa an-terivozona, ny Jly Ravalomanana Richard, araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly. Tsy afa-po ny voampanga, nampiakatra fitsarana ambony ny mpisolovava azy.

Baomba be! Voasazy hiasa an-terivozona an-tranomaizina mandritra ny 10 taona ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard. Niakatra teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, tao amin’ny efitrano fahefatra, ady heloka bevava izy.
Tamin’ny sivy ora, nigadona teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny fiara iray tsy mataho-dalana miloko mainty, miaraka amin’ny fitaratra tsy tanteram-pahazavana. Nivoaka tanaty fianjaikana tanteraka, niaraka tamin’ny mpiambina azy, ity manamboninahitra jeneraly voatazona am-ponja vonjimaika ity. Ta­min’ny 9 ora sy sasany, nisokatra ny fotoam-pitsarana. Namaky ny pitsompitson’ady ny mpitsara. Nambara tamin’izany ny vesatra iampangana azy: ny firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoana sy nandratrana olona maro nandritra ny fihetsikehetsahana nataon’ny vahoaka tamin’ny volana septambra sy oktobra 2025, andaniny. Fandra­honana an’Andriakotomalala Jean Walker, tale jeneralin’ny Sirama teo aloha, ho faty ankilany. Nambaran’ny fitsarana fa maty paikandro noho ny fe-potoana efa tapitra ka tsy manan-kery intsony ny fitoriana ity raharaha farany ity.

Tsy nipoitra
Mahakasika ny fiampangana roa izay nifandraika ta­min’ny raharaha 2025, tsy nisy nipoitra teny amin’ny fi­tsarana ny vavolombelona ”mpandetika”. Anisan’ireny ireo mpisintona lakolosy Fi­tiavana Mickael, Mba Lait ary Soa De Valiha. Vavolombe­lona mijoro amin’ireo fiampangana ny Jly Ravalomanana Richard kosa ny tale jeneralin’ny polisy teo aloha. Niaro ny voampanga, andaniny ny vavolombelona avy amin’ny jeneraly dia ny mpiambina azy manokana sy ny mpamiliny.
Naharitra ora dimy ny fi­hainoana azy ireo sy ny mpisolovava izay nanao ny fehin-teny fiarovana, ny Me Razafimamonjy Lazatiana. Nisongadina nandritra ny fifandaharana tao amin’ny fi­tsarana ny fanitrikitrihan’ny mpampanoa lalàna fa nandrisika ny famoretana sy naniraka mpitandro filaminana hidaroka sy handefa baomba mandatsa-dranomaso ny voampanga. Nitsipaka ny fiampangana ny mpisolovava. Nambarany fa tsy voamarina ny teny nanomezan’ity olona arovany ity izany baiko ho an’ny mpitandro filaminana izany. Tsy misy koa ny daty mazava fa nanambarany izany.

Tsy afa-po

Nafampana ny fifandaharan’ny mpitory, izay ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny ”ministère public” na ny fitsarana. Nitaky ny fanafahana ny olona arovany, i Me Razafimamonjy Lazatiana. Nambarany fa tsy ampy ny porofo hanenjehana an’ny Jly Ravalomanana Richard.
Tsy nahazo rariny izy tamin’izany, nitondra porofo ny mpampanoa lalàna. Naseho­ny nandritra ny fotoam-pitsarana ny fisian’ny baiko an-tsoratra sy ny fandraiketana izany tamin’ny radio mazava tsara.
Taorian’ny fandinihan’ny mpitsara, nivoaka ny didy fa migadra, miampy asa an-terivozona, ny voampanga. Tsy nahafapo an’ity farany izany, nampiakatra fitsarana ambony izy ireo. Mbola tsy mihatra, araka izany, ny didy, saingy naverina am-ponja izy miandry ny fotoam-pitsarana ma­na­raka.
Tsiahivina fa voasambotra ny 27 desambra, tamin’ny taon-dasa izy. Naiditra vonjimaika am-ponja eny amin’ny fonjan’Imerintsiatosika, ny 19 janoary 2026.

Mino

Partager sur: