Maty voatifitry ny zandary tsy nahy nandritra ny famadihana ny tovovavy roa, ny alatsinainy alina lasa teo. Nisy olana ny basim-borona napoaka hanomezam-boninahitra ny razana ka nitera-doza tao Ambalavato Vohitromby.
Tratry ny tampoka sy tsy nahy! Nivadika ho loza ny poa-basy saika hanamarihana lanonam-pamadihana iray tao Ambalavato, fokontany Vohitromby, kaominina ambanivohitra Tsitondroina, ao amin’ny distrikan’ Ikalamavony. Ny alin’ny alatsinainy, tokony ho tamin’ny
8 ora no nisehoan’izany. Nikarakara famadihan-drazana ny fianakaviana iray. Araka
ny fomba amam-panao any amin’io faritra io, manapoaka basim-borona ny tompom-pety rehefa tonga eny amin’ny fasana. Nandray an-tanana ny fanapoahana ilay fitaovam-piadiana ny zandary iray niala sasatra tany an-toerana. Zanaky ny anabavin’ny tompom-pety rahateo.
Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, nisy olana tampoka ny fitaovana nokasaina hanaovana tifi-danitra. Nandritra ny fikarakarana izany, nipoaka tsy nahy ilay basy. Vokany, nahavoa olona miisa roa ny bala izay niparitaka. Maty ny tovovavy 22 sy 13 taona, samy fianakaviany ihany. Voan’ny bala teo amin’ ny lohany sy ny kibony izy ireo.
Nalefa any amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Tsitondroina ilay zandary nahavanon-doza tsy nahy taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarakarana ny razana.
Naiditra am-ponja
Tsiahivina fa ankoatra ity tranga iray tany Ambalavato ity, nisy zandary iray koa nahatifitra olona tany amin’ny kaominina ambanivohitra Bekobay, distrikan’i Mahajanga II, ny alin’ny 5 jona 2026. Lehilahy iray 18 taona no maty tsy tra-drano vokatr’izany ary lehilahy roa naratra. Nampitandrina hanao tifi-danitra izy mba hampilamina ireo olona saingy nahavoatifitra olona miisa telo. Efa naiditra am-ponja vonjimaika ilay zandary, rehefa avy natolotra ny fampanoavana.
Mino




