Mpilalao telo avy eto an-toerana no tafiditra anaty lisitry ny Barean’i Madagasikara. Voafantina mialoha ny fotoana izy ireo hiaro ny voninahi-pirenena. Hiatrika ny fifanintsanana “Can 2027”, ihaonana amin’i Nigeria sy i Tanzania.
«Telo aloha no fantatra…». Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray, omaly, tafiditra anatin’ireo mpilalao voafantina mialoha, nahazo taratasy “pré-convocation”, hiatrika ny fampivondronana ny Barea i Bono sy Andy ary i Rado, mpilalaon’ny Disciples FC Vakinankaratra. Ny ekipa malagasy izay hifanandrina amin’i Nigeria sy i Tanzania mandritra ny andro voalohany sy faharoa. Fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Can 2027”, izy ity.
Tsara ny mampahatsiahy fa tafiditra tao anatin’ireo mpilalao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra Barea, niatrika ny lalao ara-pirahalahiana natao tany Maroc, ny volana jona lasa teo izy telo lahy ireo. Marihina fa i Andy sy Rado dia manatevina ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy, izay hihaona amin’ny Lijabatho FC Lesotho. Fihaonana tafiditra anatin’ny fifaninanana afrikanina “ Ligue des Champions Caf”.
Mpilalao vaovao… ?
Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy ny lisitra ofisialy navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa samy miandry izany ny mpankafy. Raha ny siosion-dresaka mandeha, mety hisy mpilalao vaovao voaantso ho ao anaty ekipam-pirenena. Ampahafantarina ihany fa ny 25 septambra ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ny Godswill Akpabi Nigeria no handray an’i Madagasikara i Nigeria. Efatr’andro aorian’io kosa, hampiantrano ny ekipa nasionaly tanzaniana, ao amin’ny Kianjan’ny Honneur de Meknès Maroc, ny Barea.
Fitia Randria




