Fambolena: nalaina ny sosokevitry ny tanora

Natao ny alatsinainy 31 aogositra teo, teto Antana­narivo, ny fakana ny hevitr’ireo tanora hisehatra amin’ny famokarana sy ny fambolena. Nikarakara azy ny minisite­ran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Lohahevitra noraisina ny hoe: «Tanora tsara fiomananaamin’ny fandraharahana ara-pambolena». Nambaran’ny minisitra, Ramindo Gaëtan, fa «mametraka ny tanora hiditra amin’ny famokarana sy ny fambolena ity fotoana ity. Manana ny herin-tsaina sy ny tanjaka ny tanora. Nohenoina koa ny hetahetan’izy ireo, ny olany, mba hijerena ny vahaolana».
Nisy koa ny fijoroana va­volombelona ho fizarana traikefa sy torohay nataon’ireo tanora efa misehatra amin’ny famokarana. Satria, fototry ny fampandrosoana ara-toeka­ren’ny firenena izany. Nam­pahafantarin’ny minisitera MiASA ireo toeram-piofanana sy tetikasa ary tohana ara-bola samihafa. Nilaza ny tanora mpandray anjara fa solontena ihany izy ireo, hizara izany manerana ny Nosy avy eo.

Njaka A.

Partager sur: