Sombim-baovao

 Malagasy mpitsara baolina kitra efa-dahy voatendry hitsara ny lalaon’ny Atomic Ngomé Comores sy Black Bulls Mozambique, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf. Fihaonana hotanterahina any Comores, ny sabotsy 5 septambra ho avy izao. Ireto avy izy ireo: Todihajaniaina Josiano, Hasinjarasoa, Hasinoro Fitiavana ary Hery Tiana Stephan.

 Nanainga omaly folakandro ny ekipan’ny CFFA, nihazo an’i Maurice, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Fihaonana hikatrohany amin’ny Lijabatho Lesotho, ny sabotsy ho avy izao. 40 ny isan’ireo mandrafitra ny delegasiona ka 25 amin’izany no mpilalao.

Hampiantrano ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy D2, lahy sy vavy, ny ligin’Analamanga. Hanomboka anio izany ary haharitra hatramin’ny 12 septambra. Afaka mandray anjara amin’izany avokoa ireo klioba ao anaty ligy raha mpikambana ara-dalàna amin’ny Federasiona malagasy.

Partager sur: