Votsotra teo am-pelantanan’ny olon-dratsy mpaka
an-keriny, tany Antsahakely, kaominina ambanivohitra Soavina, distrikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania, omaly maraina, ny olona iray. Avotra soamantsara nandritra ny fanaterana ny vola takalonaina io lasibatra io. Ankoatra izay, maty voatifitry ny zandary, nandritra ny fifanjevoana ny roa lahy, olon-dratsy anisan’ny nanao ny fakana an-keriny. Mbola nisy tamin’ireo jiolahy no tafaporitsaka. Etsy andaniny, lasan’ ireo olon-dratsy tafatsoaka
ny vola mitentina 3 tapitrisa Ariary mahery izay natokana ho takalonaina.
Nitaky vola 30 tapitrisa Ariary
Raha tsiahivina, nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tany an-toerana io olona io, ny alin’ny 3 septambra 2026. Nitaky vola 30 000 000 Ariary ho takalon’ ny famotsorana azy tamin’ny fianakavian’ilay olona lasibatra ireo tsy mataho-tody,taorian’izay. Tapaka, taorian’ny fifampiraharahana teo amin’ny roa tonta, fa 5 tapitrisa Ariary no omena ireo olon-dratsy. Raikitra àry fa omaly maraina ny fotoana hanomezana izany sy hamotsorana ilay olona nalaina an-keriny. Nanatona ny zandarimaria ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambatomarina ny fianakavian’ilay olona voasambotra ka nanambara ny antsipirihan’ny raharaha sy nampahafantatra ny zavatra rehetra. Nandray fepetra avy hatrany ny Zandarimaria ary natao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Napetraka ny paikady ary nanaraka ireo fianakaviana handeha hanatitra vola solom-pamotsorana ilay takalonaina ireo zandary, manao akanjo sivily. Nisy roa lahy nitondra ilay olona nalaina an-keriny, nidina avy any avaratr’ Ambatomarina, rehefa tonga teny amin’ny toerana nifanarahana tamin’ny fianakavian’ny lasibatra. Nisy olon-dratsy hafa niandry teny an-toerana. Nosamborin’ireo olon-dratsy an-keriny ny vola teny am-pelantanan’ilay nitondra izany vantany vao tonga teny amin’ny toerana nifanarahana. Nandositra avy hatrany izy ireo, taorian’izay. Lasan’izy ireo, nandritra izany, ny vola 3 500 000 Ariary. Raikitra ny fanenjehana ireo olon-dratsy nataon’ny Zandarimaria. Nanampy tamin’ny fanenjehana ihany koa ny fokonolona manodidina. Vokany, maty voatifitra ny roa tamin’ireo mpaka an-keriny. Tafaporitsaka kosa ny sasany, niaraka tamin’ny vola. Mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy.
Mino




