Tselatra

Mpanao gazety sady talen’ny famoahana eo anivon’ny fahitalavitra iray no voadonan’ny fiara tetsy Ambohijatovo, omaly maraina. Raha ny fanazavana voaray, niala fiara fitateram-bahoaka ny tenany, voafaokan’ny fiara hafa vantany vao niala. Vokany, naratra noho ny dona mafy nahazo azy ny tenany. Nentina notsaboina haingana any amin’ny hopitaly izy taorian’izay.
Zazalahikely 3 volana no nisy nanary teny Itaosy Amberivatsy, omaly maraina, tokony ho tamin’y 5 ora sy sasany hariva. Napetraka teo alohan’ny vavahadin’ny tokantranon’olona iray teny an-toerana io zaza io. Nentin’ny olona nahita azy tany Ambodivona, tany amin’ny toeram-piasany ilay zaza mandra-pahitana vahaolana mahakasika izany. Efa nanatona ny masera tao Ampefiloha izy fa tsy nandray izy ireo. Efa any amin’ny mpitandro filaminana moa ity zazalahikely ity amin’izao fotoana izao.
Tontosa omaly, tetsy amin’ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny polisy (ENSP), Ivato, ny lanonana ofisialy fametrahana galona ho an’ireo polisim-pirenena niakatra laharam-boninahitra ho Commissaire principal de police, Commissaire de police de 1er classe ary Officier de police. « Mitaky vokatra eo amin’ny asa sahanina andavanandro, mila mijoro ho olo-mendrika, miasa am-pahamarinana, manompo am-panajana ary hiaro ny vahoaka sy ny fana­nany izao fisondrotana izao », hoy ny minisitry ny Fila­mi­nam-bahoaka, ny inspecteur général de police, Erick Michel.
300 mahery ny trano may nandritra ny firehetana tany Vatany, fokontany Andranomavo, distrikan’i Manakara. Manodidina ny 1 300 isa ny olona tsy manan-kialofana noho izany. « Olona very saina no nandoro ny trano ary nitarika tamin’ny fahamaizana trano maro teo anivon’ny fokontany », hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Manakara, Maminirina Jolce, raha nanontaniana teny Tsimbazaza, omaly.

Partager sur: