Niampita arabe tampoka: lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly maraina. Voa­hi­tsaky ny kamiaobe iray, tao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimbe, disitrikan’i Brickaville ny lehilahy iray. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandariamariam-pirenena, niampita arabe tampoka izy, tsy hitan’ny mpa­milin’ilay fiarabe. Vokany, notetezin’ny kodiarana havian’ ny fiara ny lohan’ilay lehilahy. Sady vaky no niparitaka ta­min’ny arabe ny atidohany.
Avy tao amin’ny trano fisotroana iray tsy lavitry ny toe­rana no nisehoan’ny loza, ilay niharan-doza, araka ny fanazavan’ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga. Taitra sy nianjera tamin’ny tany ilay olona. Somary tao anaty fiolahana ny niseho ny loza.
Nanambara ny olona nanatri-maso ny loza fa tsy fahafehezan’ny mpampiasa lalana rehetra ny lalànan’ny fifamoivoizana amin’ny ankapobeny, no mahatonga eny amin’ny RN 2. Anisan’ny voakasik’izany, ny mpamily sy ireo mpandeha tongotra.
Taorian’ny fijerena ny zava-misy sy ny fanadiha­diana nataon’ny zandary teny an-toerana, natolotra ny fianakaviany ny razana. Monina sy mipetraka 3 km miala ny toerana nitrangan’ny loza. No­tanana natao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny mpamilin’ny fiara nahavanon-doza.

Mino / Sajo

Partager sur: