Niakatra fampanaovana, notanana am-ponja eny Tsiafahy, afakomaly, ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny vonoan’ olona teny Andohatapenaka. Nitrangana faty olona teny amin’ny fokontany Andohatapenaka, ny alatsinainy 13 jolay lasa teo. Niaraka nisotrosotro tao amin’ny toeram-pisotroana iray ny lehilahy miisa telo. Niafara tamin’ny fifamaliana nefa ny fiarahana. Nivadika ho fifampikasihan-tanana. Nitambaran’izy roa lahy ny lehilahy iray namany. Namoy ny ainy vokatry ny vono sy daroka nahazo azy ity farany. Nanao tari-dositra ireo roa lahy nahavanon-doza tamin’io fotoana io. Niroso tamin’ny fikarakarana ilay maty ny fianakaviany. Nandray an-tanana ny fanadihadiana ny polisim-pirenena eo anivon’ny Sampana miady amin’ny heloka bevava sakelika voalohany. Voasambotra teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Fasanikarana ny iray tamin’ireo roa lahy voasaringotra tamin’ity vono olona ity, ny 2 septambra lasa teo. Natao famotorana, nitoroka ny namany izy ka tratra teny Ankadikely Ilafy ny faharoa, ny zoma 9 septambra teo. Natolotra ny fampanoavana izy roa lahy.
Tsiferana R.




