« Malgasy Design Gaze 2026 »: sehatra ho an’ny forona malagasy

Maro ny manan-talenta sy aingampanahy amin’ny tontolon’ny « design» eto Madagasikara. Ny fampivadiana ny hairaha maoderina amin’ny talenta sy aingampanahin’ny mpamorona no tena hasongadina.

«Re Dessin, Re Des­sein ». Izay no lo­hahevitry ny an­diany voalohany amin’ny he­tsika « Malagasy Design Gaze 2026 », hotontosaina ny 19 septamba hatramin’ny 2 oktobra ho avy izao. Nisy ny fampahafantarana izay notontosaina tetsy amin’ny Orange Digital Center, Gara Soarano, omaly. Ity toerana manan-tantara ity mantsy no handray an’ ity hetsika hanomezan-danja ny famoronana eto Mada­gasikara ity. Fotoana hanehoana ny harena sy ny hamaroan’ny karazam-pamoronana akehitriny io, indrindra ireo mifototra amin’ny kisary sy ny hairaha ara-endrika amam-bika.

Izay fampiarahana ny ta­lenta, ny fahaiza-manao nolovaina amin’ny forona ankehitriny sy ny vina ho avy izay indrindra no tiana hasonga­dina mandritra ny “Mala­gasy Design Gaze 2026”. Toerana mety amin’izay indrin­dra ny Orange Digital Center, izay ho lasa toerana ho an’ny fisokafana, ny fihaonana ary ny fifampizarana. Mila hita sy hasongadina ny talenta amin’ ny famoronana, ka sady to­hana ho an’ny mpanakanto no fampahafantarana ho an’ireo mety ho mpankafy izany.
Handray anjara amin’ity andiany faharoa ity ry Andrée Mathilde Ethève, Vero Rasen­dratsirofo, Emma GL, Fanjar, Miangaly Elia, Stéphanie Raza­findrabe Grannit’IX, Pris­ca Razafindrakoto, Geor­ges Floret et les ateliers d’Anala­kely, Iandry Randriaman­droso, Yassine Ben Abdallah ary Philippe Manet. Mpan­drindra ny hetsika kosa Ihoby Lysiane Rabarijohn.

Zo ny Aina

Partager sur: