Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Gip Pix, Benjamin Marteau, ny delegasionin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Andriamampandry Todisoa Manampy, tamin’ity herinandro ity, tao Paris, Frantsa.
Nifantoka tamin’ny fahazoana mari-pahaizana niomerika ekena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fampifanarahana amin’ny fenitra, “Cadre de déférence des compétences numériques sy digitale compétence framework” ny dinika tamin’izany. Hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana ihany koa. Tafiditra ao anatin’ny dingana vaovao ho fanamafisana ny fahaiza-manao niomerika ananan’ny tanora malagasy izany. Ahitana fahaiza-manao 16, voazara ho sehatra lehibe dimy izany. Ny fampahalalana sy angondrakitra, ny fifandraisana sy fiaraha-miasa, ny famoronana votoaty, fiarovana sy fandriampahalemana ary tontolo iainana niomerika.
Dingana voalohany mankany amin’ny fiaraha-miasa stratejika, hanohanana ny fanovana niomerika eo amin’ny sekoly teknika sy fanofanana arakasa sy hanomanana ny tanora malagasy amin’ny fahaiza-manao takin’ny hoavy ny dinika.
Vonjy




