Sandratra Atsinanana: nanome sehatra ireo mpianatra

Nanamarika koa ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ny tany Brickaville, ny alarobia lasa teo. Nandray ny hetsika ny CEG Brickaville, ka nifarimbona tamin’izany ireo mpianatra, mpampianatra ary ny Sampana Faribolana Sandratra Atsinanana. Nano­me sehatra bebe kokoa ireo mpianatra ireo poeta sy mpanoratra, nahafahan’izy ireo niantsa tononkalo sy nanehoana talenta tamin’ny haisoratra. Teo koa ny fifaninana famakiana teny, izay nentina nandrisihina ireo mpianatra. Nanjakan’ny fifampizarana, fanandratana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny literatiora ny fotoana. Nomena loka avokoa ireo mpianatra, izay nahitana boky sy fitaovam-pianarana isan-karazany. Nampitain’ ny solontenan’ny Faribolana Sandratra tamin’izy ireo ny maha zava-dehibe ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, izay fototry ny fianarana rahateo. Fitaovana iray hampivelarana ny saina sy lalana mankany amin’ny hoavy tsara kokoa izany, raha ny fampitana natao tamin’ireo mpianatra. Tsapa ny fahazotoana sy ny fahaizana teny amin’izy ireo, taorian’ny fanehoana ny ha­kanton’ny literatiora.

Zo ny Aina

Partager sur: