Robotex any Korea Atsimo: miantso tolo-tanana ny ekipa Karoka

Hisolo tena an’i Madagasikara ny ekipa Karoka mandritra ny Festival iraisam-pirenena momba ny robotika “Robotex”. Hotanterahina any Songdo Convensia, Incheon, Korea Atsimo, ny 20 novambra hatramin’ny 2 desambra ho avy izao, izany.

“Maze Solving” no sokajy hifaninanan’ ny ekipa Karoka. Fifaninanana robot haniva­tsiva lalana ahafahana ho tonga amin’ny toerana iray nefa tsy ho very an-dalana, araka ny fanazavan’ny mpitarika ny ekipa, Randriambelo Tendry Ny Avo Nekena Melo­die, omaly, teny Ankatso. Mpi­ana­ra dimy mirahalahy avy amin’ny Ecole de management et d’innovation technologique (Emit) sy ny fakiolten’ny Sian­sa ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa izy ireo ary samy L3 avokoa. Ny mpikambana roa ao anatin’ny ekipa no efa manana traikefa amin’ny fifaninanana robotika iraisam-pirenena dia i Tendry sy i Tsiravalaza Mahompison Armel, tany Inde sy Bénin. Manampy azy ireo Randria­nasolo Ny Aina Fandresena sy Randrianasolo Ny Aina Faneva ary Andriamazaoro Edmino Parson.

Efa misy ny mpanohana
Manao antso tolo-tanana izy ireo amin’ny vola hoenti-manana amin’ny fikarakarana rehetra (saran-dalana, fiantranoana, sakafo…). Efa nisy ny orinasa sy rafitra nanohana toy ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, sampandraharahan’ny minisitera maro ao Fianarantsoa, minisiteran’ny Fizahantany nefa mbola lavitr’ezaka vao feno ny sora-bola ilaina. Nanafatra fitaovana hananganana ilay robot izy dimy mirahalahy. Misy ampahany anefa efa vita tamin’ny akora teto an-toerana ihany. Hitady lalana miainga amin’ny toerana iray ho tonga amin’ny toerana iray ilay robot ka ho­tsaraina ny hafainganam-pandeha sy ny fahaizany mitady ny lalana amin’ireo fiviliana maromaro ao anatiny.
Nisy fisafidianana “en ligne” teto Madagasikara ka ny ekipa Karoka no nosafidian’ny Stem for Good hisolo tena an’i Madagasikara, ho an’ny so­kajy “Maze Solving”.

Mila federasionina
Tsy manana federasionina ny taranja robotika eto Mada­gasikara. Nampianatra tanora maro tao Fianarantsoa ny ekipa hisarihana azy ireo ho liana ka hahazoana ma­nan­gana federasionina, hanamorana ny dingana rehetra rehefa handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.

Vonjy

Partager sur: