Nampahafantarin’ny Fédération malagasy de Voile, ny fiandohan’ny herinandro teo, ny fitsanganan’ny ekipam-pirenena malagasy. Nampitondraina ny anarana Koera, nalaina tamin’ny anaram-borona boloky tsy misy afa-tsy eto Madagasikara izany. Hanomana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “SSL Gold Cup 2026”ny Koera. Ahitana atleta 10 ka vehivavy ny roa. Avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara izy ireo, toa an’Antsiranana, Boeny, Ambatolampy, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, Fitovinany ary Matsiatra Ambony. Efa any Seychelles izy ireo ankehitriny, manoman-tena ao amin’ny toby fanazarantena iray miaraka amin’ny Star Sailors League (SSL). Mandray an-tanana azy ireo ny manampahaizana mirahalahy, teratany seiseloà sy hollandey. Ilain’ireo Malagasy mpifaninana mantsy ny fizarana sy fahafehezana ireo teknika fototra sy taktika ary ny fandrindrana amin’ny fifaninanana eny ambony sambo.
Miavaka ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny Voile satria tanterahina mandritra ny taona iray. Misy dingana fifanintsanana mafy isan-karazany tsy maintsy atrehin’ny mpifaninana isaky ny kaontinanta misy azy avy. Mitovy avokoa ny zavatra atao amin’izany. Tsiahivina fa hotanterahina any Rio de Janeiro, Brésil, ny famaranana lehibe amin’ity “SSL Gold Cup 2026”, ity.
Tompondaka




