“Fos’Art Festival”: ny zavakanto no hanohanana ankizy sahirana

Hetsika ampiarahana ny zavakanto sy ny fanampiana ny mpiara-belona. Hoton­tosaina ny sabotsy 10 oktobra ho avy izao ny “Fos’Art” Festi­val”, andiany voalohany. Hatao eny amin’ny Golf Galaxy – Birdy Antananarivo izany, ma­nomboka amin’ny 10 ora ma­raina. Karazan-kanto marolafy no hasongadina mandritra izany, ka anisany ny hainahandro sy ny manodidina azy. Eo koa ny asa tanana maro karazana, hanomezana sehatra ireo mpanao taozavatra manan-talenta. Eo amin’ny lafiny fampisehoana mozika, hanafana ny sehatra lehibe i Shyn sy Denise ary i Bolo, ny tolakandro. Tsy mifarana eo fa hitohy mandra-maraina ny fety, hifandimbiasan’ireo mpikosoka kapila, vahiny sy Mala­gasy, toa an-dry DJ Sakay, K-za, Juli Anbu, Ludowski le terrible, PI, Ad’I, Lemongo, Dee­vajay, Harissa Connexion, Tito, sns, arahina fampise­hoana kilalaon-jiro efa fanao any ivelany amina hetsika goavana.
Hisy toerana manokana ho an’ny ankizy, izay tena iom­­panan’ny hetsika, mandritra izany. Natao indrindra hanampiana ireo ankizy sahirana,
na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra mantsy izany. Harotsaka manontolo ho an’ny ONG MealEspoirs ny vola azo mandritra ny “Fos’Art Festi­val”. Fikambanana miahy ireo ankizy sahirana eto Antanana­rivo sy ny manodidina ito farany. Miandraikitra toeram-pisakafoana ho an’ny ankizy miisa 800, mitantana toeram-pitsaboana iray ary manana fandaharanasa amin’ny fampiana­rana ny ONG MealEspoirs. Hanohizana sy hanitarana ireo sehatrasany no antony lehibe nanaovana ny “Fos’Art Fes­tival”, hifototra amin’izay firaisankinan’ny mpiray monina ho an’ny mpiara-monina izay.

Zo ny Aina

Partager sur: