Hametraka ny Paikady nasionaly momba ny fiahiana ara-tsosialy (SNPS) ho an’ny taona 2024-2030 ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ ny Mponina sy ny fiahiana sosialy. Mifototra amin’ny fanatanterahana ireo fandaharanasam-panjakana sy fandrindrana ireo rafitra fiahiana ara-tsosialy izany. Mikendry ny hampiroboroboana sy hanamafisana ny fiahiana sy ny faharetan’ny mponina marefo manoloana ny fiovan’ny toetr’ andro sy ny faharefoana koa. Nahitam-bokatra ny SNPS 2019-2023, tamin’ny alalan’ny fandaharanasa sy fanohanana ary fampivoarana ny maha olona. Nisongadina izany tamin’ny fiatrehana ireo krizy sy loza voajanahary nifanesy, ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, ny fiantohana ara-pahasalamana…. Nohamafisina ireo sehatra ara-dalàna sy mangaraharaha ka nametrahana ny Rejisitra sosialy tokana (RSU), fitaovana stratejika na angondrakitra ara-toekarena sy sosialy ho fototra hanatsarana ny fitantanana sy ny fandrindrana ireo fandaharanasa fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara.
Tatiana A




