Fiatrehana ny fifidianana : mitaky fitsipi-dalao mazava ny Vondrona Panorama

Nifamory, nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy Antanimena ny eo anivon’ny Vondrona Panorama, omaly. Ahitana ireo antoko politika maro sy fikambanana samihafa avy amin’ny fanoherana izany. Nisongadina tamin’izany ny resaka fifidianana.

“Ilaina ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana ka tokony ho tafiditra eo anivon’ny Ceni avokoa ny avy amin’ny mpanohitra sy ny mpanohana ny fitondrana. Tokony ho hita taratra hatreny ifotony ahitana solonte­nan’izy ireo avokoa manomboka amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana”, hoy ny MFM, amin’ny alalan-dRako­tova­zaha Olivier. Nohitsiny fa tokony hadio ny tokotany ilalaovana sy ny fitsipi-dalao mialoha ny fifidianana.

Feno lainga sy fitaka

Tokony hahitana ireo hery hafa sy manana traikefa ary matihanina amin’ny fifidianana eo anivon’io rafitra iray io. “Aza hadinoina fa administratera sivily, manana ny maha izy azy Rakotonarivo Thierry tamin’ny Ceni, teo aloha ary nahita ny fiverimberenana anarana “Doublons” tamin’ireny fotoana ireny”, hoy ihany izy.
Nanitrikitrika kosa ny avy amin’ny MTS, Ratsiraka Ro­land fa tsy tokony hisy intsony vahoaka hifidy an-dRajoelina Andry amin’ny fifidianana filoham-pirenana amin’ity taona ity. Maro ny lesoka hita tamin’ny fitondrany, araka ny nambarany. “Notantanina tao anaty lainga sy ny fitaka ny firenena. Tsy vitan’izany fa variana manenjika ireo mpanohitra ny mpitondra ka hadinony ny asa fampandrosoana”, hoy izy.

Tanteraka na nosakanan’ny Emmo/Reg aza

Tsiahivina fa nosakanan’ny Emmo/Reg izao hetsika eo anivon’ny fanoherana, Von­drona Panorama izao. Afaka natao ihany anefa izany avy eo rehefa nifampiresaka ny andaniny sy ankilany. Tsy azon’ny olon-tsotra nidirana kosa anefa izany. “Voasa­kantsakana tokoa ny hetsika nataonay noho ny tahotry ny fitondrana. Manimba tena amin’izany anefa izy ireo. Tsy manao fanoherana bontolo izahay fa mitady ny tenierana sy fifampiresahana hatrany”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: