Nihaona tamin’ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana (Pnud), Issa Sanogo ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery sady filoha nasionalin’ny HVM, teny Andraharo, omaly. Niompana lafin-javatra maromaro ny dinika nifanaovan’ny roa tonta. Anisan’izany ny fijerena vahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika.
Eo koa ny lafiny sosialy sy ny momba ny toekarena. Nifampidinihina koa ny mety ho fomba fiasa sy ny vahaolana aroso, manoloana izany. Tanjona amin’izao ny hisian’ny fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra eto amin’ny firenena mba handrosoana any amin’ny tsaratsara kokoa. Tsy azo ihodivirana fa anisan’ny voaresaka koa ny momba ny hiatrehana ny fifidianana eto amintsika. Anisan’izany ny fikarakarana sy ny fanomanana rehetra.
Tsiahivina fa efa nisy ny fihaonan’ity mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana ity tamin’ny Praiminisitra, niaraka tamin’ny mpikambana eo amin’ny governemanta sy ireo masoivoho miasa eto amintsika, ny 17 febroary teo. Efa nandray ireo solontenan’ny FFKM koa ny tenany, herinandro vitsy lasa izay.
Lin (mpianatra asa)