Nifampiresaka tamin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo ireo solontenan’ny mponina sy ny mpiasa avy amin’ny boriborintany enina omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely izany. Nilaza ny ben’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra Andriantsitohaina Naina fa ilaina ny fotoana toy izao mba ahafahana mifampiresaka sy mifampizara olana. Nohamafisiny fa ny hahasoa ny mponina ny politikan’ny kaominina. Nitaraina tamin’ny ben’ny Tanàna ireo mponina nandritra izany. Anisan’izany ny tsy fahampian’ny « borne fontaine» eny anivon’ny fokontany tsirairay avy ato amin’ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra. Nitaky ny hanamboarana ireo lalankely rehetra eny anivon’ny fokontany ihany koa izy ireo. “Miteraka olana sy fahasahiranana ho an’ny mponina ny lalankely misy ankehitriny”, hoy ireo nanontaniana. “Feno rano ny lalana sady misy manararaotra manary rano maloto izany, indrindra rehefa vanin’andro fahavaratra toy izao”, hoy hatrany izy ireo.
Tsy vitany samirery anefa ny fanatanterahana ny asa fa mila ny fanampian’ny mponina. “Efa hiditra amin’ny volana marsa isika izao ka tokony handrosoan’ny asa rehetra”, hoy hatrany izy. “Rehefa vonona ianareo dia vonona aho, rehefa sahy ianareo dia sahy aho”, hoy hatrany ny ben’ny Tanàna nanamafy. Noraisin’ny kaominina an-tsoratra ny fitarainana rehetra nandritra izany. “Hojerena manokana ny hamahana izany”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo.
Mino (mpianatra asa)