Vanim-potoana fandinihan-tena

Mangingina indray aloha ry zalahy mpanao politika, te hatao hoe akaikin’ny raiamandrenibe eto amin’ny firenena. Tsy henoheno ny FFM sy ny VFM, ny KMT sy ny Kfir. Tena mahararakivy mihitsy ny zava-misy. Tsy mbola nisy tahaka izany aloha teto Madagasikara, tao anatin’ny 60 taona. Ny an’ny olona, mitambatra na mifamototra aza ny hevitra. Ny an’ny sasany, manao valala an-karona. Misy dia lany henatra tsotra izao.
Mila ezaka be ny fanaovana politika eto Madagasikara. Tsy ny olona no tsy misy, tsy ny hevitra no lany fa ny kianja ilalaovana no mila fanatsarana. Mila ovaina ny fanaovana politika. Tsy mety mihitsy ilay mifamingampingana samy te handaka ny baolina. Ilay pasipasy feno fitapitaka ity no tsy mamely aminy. Mamadika ny raharaha tsy ho any amin’ny tokony ho izy mihitsy. Ny an’ny olona, baolina maty amin’ny asa an-tarika no tena izy.
Mbola vao fanafanan-tena dia mahavariana ny tsipatsipaka ataon’ny sasany. Misy ny efa mandaka rivotra, misy ny mandaka mandrivorivo. Asa, samy maika diso tafahoatra? Kanefa na fy aza, hono, ny trondro ny lela kosa tsy atao jono. Mila fandinihana lalina sy araka ny tokony ho izy. Tsy tokony hisy ny manao izay danin’ny kibony amin’ny fikatsahana tombontsoa ka manimba ny endriky ny olona tohanany. Ilay maimay fahatany ity no mbola hahitan-doza.
Raha fehezina, hany antoka ahafahana mandrefy ny tanjaky ny antoko iray ny fifehezany ny olony. Matoa betsaka no mivadibadi-dela dia ao raha! Anisan’izany ny tsy fanajana ny fitsipiky ny antoko na ny fikambanana sy vovonana misy ny tena! Mila fandinihan-tena lalina.

r.r

Partager sur: