Taribin’ny Jirama nianjera : vehivavy namoy ny ainy tao Ambohibary Manjakandriana

Nianjera tampoka ny taribin-jiron’ny Jirama tao Ambohibary Manjakandriana, omaly maraina. Vokany, namoy ny ainy, main’ny herinaratra mahery vaika, ny vehivavy iray. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary sy ny teknisianina.

Vehivavy bevohoka iray, 25 taona, matin’ny herinaratra mahery vaika avy amin’ny tariby an’ny Jirama, tao amin’ny fokontany Anosivato I, kaominina Ambo­hi­bary, distrikan’i Manjakan­driana, afakomaly. Naka vilona teo an-tanimbary izy, kinanjo nahakasika ny tariby iray nitondra herinaratra ma­hery vaika nilatsaka tamin’ny tany. Vokany, niraikitra teo izy ka maty tsy tra-drano, raha ny fanazavana voaray hatrany. Latsaka tamin’ny tany sahabo ho iray metatra sy 50 teo ho eo ny tariby tamin’ny andrin-jiro. Anisan’ny latsaka nifanandrify tanimbary iray izay nandehanan’ity vehivavy tra-doza ity.
Nampandre ny zava-ni­tranga tamin’ny zandary miasa any an-toerana ny olona tsara sitrapo vantany vao nahita ny zava-niseho. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery izany sy nanao fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Manjakandriana.

Nidina ifotony ny teknisianina
Taorian’ny loza, nampandrenesina ny tomponandraikitry ny Jirama ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana mba handray andraikitra sy hanamboatra io tariby nitera-doza io sy tsy hahatonga fatin’olona hafa indray. Tonga namangy sy niresaka tamin’ny fianakavian’ny maty ihany koa izy ireo nandritra izany. Efa nisy ny fifampiresahana fa hamboarina ihany koa ilay tariby latsaka izay nahafaty olona. Ankoatra izay, nentanina ny mponina eny an-toerana mba tsy hanatona ny faritra nitrangan’ny loza mandra-pahavita izany. Nandray ny fanadihadiana mahakasika io raharaha io ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Manjakandriana.

Mino

Partager sur: