FANTINA sy FINTINA

Hotanterahina anio ny fitsarana ny ”Raharaha Boeing 777”, nalefa any Iran. Hatao etsy amin’ny Pac 67Ha izany. Miisa 33 ireo voasaringotra amin’io. Ani­san’ny vesatra hiampangana azy ireo ny fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, ny kolikoly. Eo koa ny famotsiam-bola sy ny fanararaotana andraikitra ary famotsiam-bola sy fikambanan-jiolahy.
Tena henatra tanteraka ho an’ny ECM sy ny fanjakana malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny « Raharaha Boeing 777 », araka ny nambaran’ny tale jeneraly, Rakotoarisoa Alban (Baba), omaly. Nambarany fa izany no antony nangatahiny ny hanaovana fanadihadiana parlemantera momba azy io.
Hiroso amin’ny fanasaziana ny Bianco. Namba­ran’ny tale jeneraly, Razakamanantsoa Gabyu Nestor, fa telo volana aorian’ny fandraisana andraikitra no tokony hanaovana fanambaram-pananana. « Misy ny taratasy fampahatsiahivana avy eo ary roa volana aorian’izay no sokafana ny fanadihadiana », hoy izy, ny herinandro teo.
Nanentana ny hisoratana anaty lisi-pifidianana ny filoha teo aloha, Ravalomanana, amin’ny fitsidihany ny faritra Anosy. Teo koa ny fitokanana ny FJKM Faux Cap, narahin’ny fitsidihany ny fiangonana sy ny sekoly FJKM ao Tsihombe. Nitohy tamin’ny fihaonany amin’ny vahoaka izany.

Partager sur: