Fivadiham-pitokisana : namidin’ilay lehilahy ny moto namboariny

Nidoboka am-ponja vonjimaika, omaly, ilay mpanamboatra moto nivarotra ny entana napetraka taminy etsy Tanjombato, ny desambra lasa teo. Nampanam­boatra moto teo amin’io lehilahy io ny renim-pianakaviana iray. “Nifanaraka izahay fa amboariny ara-dalàna ny moto”, hoy ny tompon’ny entana. Nilaza anefa ilay mpanamboatra fa tsy maintsy mijanona ao aminy ny moto noho ny fanamboarana tsy vita vetivety. Nentin’ny fahatokisana, napetrak’ilay ramatoa tao amin’io lehilahy io ilay moto. Noho ny ampitso, nitsidika ilay moto hijery ny fivoaran’ny fanamboarana ny tompony. “Tsy nisy “échappement” intsony ny moto fa tsy hita izay nanjavonany”, hoy ity farany. Narirariran’ity mpanao moto taorian’io ilay ramatoa. Tsy vitan’io, namidin’ilay lehilahy hatramin’ny tao anaty motera.
Niroso tamin’ny fi­toriana ilay lasibatra. Voa­sambotra ilay mpanao moto ka niakatra fampanoavana io omaly io. Niaiky heloka ity farany. Mitetina 3 tapitrisa Ar ny vidin’ny moto takin’ny tompony aminy. Naiditra am-ponja vonjimaika io lehilahy io ary hivoaka ny talata ho avy izao ny ny va­lin’ny raharaha.

Jean Claude

Partager sur: