TARATRY ny KANTO

Haseho an-tsehatra ny « Kiala Soa ». Tantara an-tsary mitohy, tsy toy ny teatra klasika mahazatra fa maoderina kokoa izy ity, nosoratan’i Valisoa Ranai­voson. Ao amin’ny Havoria Anosy no hanehoana izany, ny sabotsy 3 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Endri-tseho tsy mahazatra ka hanentanana ireo liana amin’ny tantara tsangana.
Misy ny fiantsoana ireo mpaka sary matihanina. Hivory izy ireo ny zoma 25 septambra izao, amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Ofnac Analakely. Tanjona ny hananganana ny vovonan’ny mpaka saripika matihanina, ankoatra ny fanatanterahana ny fananganana ny rejisitra nasionaly ho an’ny mpanakanto.
Hiverina ao amin’ny Vakok’Arts Trano ao Toliara ny Asco Music. Hanatontosa seho izy ireo rahampitso alakamisy. Efa fotoana ifanomezan’ireo mpankafy mozika izy ity, indrindra fa ny tarika anisan’ ny zokiny sy malaza ao Toliara izay hiverina hiaka-tsehatra indray.

Partager sur: