Notolorana mari-pankasitrahana sy fanomezana ireo mpianatra mendrika indrindra nandritra ny fanadinam-panjakana 2025-2026, tao amin’ny faritra Atsinanana. Ity farany no nikarakara ny hetsika, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Ivontoeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena Toamasina.
Mpianatra 24 afa-panadinana CEPE, BEPC ary bakalorea avy amin’ireo distrika fito mandrafitra ny faritra Atsinanana no nahazo ny anjarany. Vokatry ny fanomezana avy amin’ny faritra Atsinanana, ny oniversiten’i Toamasina, ny Bred Madagascar, AFG Bank, ny Evotic ary ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka maro eo an-toerana sy any ivelany no nahatanterahina izany.
Tafiditra tamin’ity fanomezana ity ihany koa ny diplaoma bakalorea maimaimpoana ho an’ny “Lauréat des lauréats” miampy fisitrahana vatsim-pianarana avy amin’ny Agence Miel. Nanatrika ny lanonana ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Pr Razanakolona Diny sy ny lefiny, Dr Feno Pierre Caroline, izay nanolotra ireo fanomezana avy amin’ny oniversite.
Nankasitraka ny faritra Atsinanana nikarakara ny hetsika sy ireo rehetra nanohana ny mpitantana ny oniversiten’i Toamasina. Nirary soa ihany koa ireo mpianatra rehetra nahazo fanomezana izy.
Vonjy




