Baolina kitra – Fifanintsanana Can 2027 : Hivantana amin’ny Canal Plus ny lalaon’ny Barea

Hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra, indrindra fa ny Barea Madagasikara, ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny Canal plus Madagasikara. Handefa mivantana ny lalaon’ny Barea sy i Nigeria ny fantsona Canal plus Sport 1, ny zoma ho avy izao.

Manomboka izao, miara-miasa ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny Canal plus Madagasikara. Nosoniavina, omaly, teny Andraharo, tamin’ny alalan’ny filohan’ny federasiona, Randriamanampisoa Alfred sy i Christophe Dess­aints izany fiarahan’ny roa tonta izany. Tafiditra ao anatin’izao fiaraha-misa izao ny fandefasana mivantana ny lalaon’ny Barea Madagasikara ao anatin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2027. Fihaonana hikatrohana amin’ny Super Eagles Nigeria, ny zoma 25 septambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja God­swill Akpabio International Stadium, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ora eto Madaga­sikara.
Ny fantsona Canal plus Sport 1 irery ihany no hampita ny sary mivantana amin’izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Canal plus. Haharitra herintaona ny fifanomezan-tanana eo amin’ny roa tonta. Hiankina amin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) kosa ny fandefasana na tsia ny lalao handraisana an’i Tanzanie any Maroc, ny talata 29 septambra ho avy izao. Izy ireo mantsy no manome alalàna amin’ny fahazoana ny sary. Nisaotra sy nidera ny finiavan’ny Canal plus amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra, indrindra ny fanohanana ny Barea, ny filohan’ny Federa­siona ary maniry ho lasa lavitra indray ny Barea amin’ity.
Ankoatra izay, fantatra fa efa saika tonga any Nigeria avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalaon’ny Barea Madaga­sikara, omaly, hiatrika io lalao io.

Tompondaka

Partager sur: