Nisy depiote mpanohitra nilaza fa tokony hojerena akaiky ny mety ho olana amin’ny fanatanterahana fifidianana. Nanome sosokevitra ry zareo hoe misy andininy fito amin’ny lalàm-pifidianana tokony hahitsy.
Anisan’ny nohamafisiny tamin’izay ny momba ny And. 15 amin’ny lalàna 2015-020 ny amin’ny sata mifehy ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana fifidianana (Ceni).
“Amin’izao fotoana izao, efa ao anatin’ny zotram-pifidianana: efa be dia be ny mpandray anjara amin’ny fanatanterahana fifidianana; ny vahoaka misoratra anarana, na misy ihany aza ny tsy resy lahatra… Efa vonona hiditra ao anatin’ny zotram-pifidianana izany.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Cellule de moralisation de la vie publique – Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid), Randriamalala Robert Charly, momba izay fitakiana ny hanitsiana ny lalàna momba ny Ceni izay.
Tsy ny fanatsarana ny Ceni no olana
Ny dikan’izay zotram-pifidianana efa mandeha izay: tsy ny fanatsarana ny Ceni no olana. “Takinay ny hoe: aleo tsy mandrava ny zavatra efa misy sy ny zotra efa mandeha”, hoy izy. Raha mieritreritra ny mpanao politika fa ny fisiana antoko politika na firaisamonina sivily tokony hiditra na ho arofanina ao anatin’ny Ceni, fanamafisana no tokony hatao. Tokony hisokatra izany ny Ceni.
Io mpikambana 13 naroson’ny depiote Ratsiraka Roland io, anisan’ny sosokevitra faharoan’ny firaisamonina sivily. Ny an-dry zareo hoe fito ny firaisamonina sivily, dimy antoko politika. Ho an’ny CMVP-Safid, raha misy solontena tendren’ny filohan’ny Repoblika ao anatin’ny Ceni, tokony hisy solontena tendren’ny lehiben’ny mpanohitra na fahafaratsiny ny mpanohitra anivon’ny parlemanta. Tsy mipetraka ny lehiben’ny mpanohitra, mahazo mipetraka amin’izay ny mpanohitra eo anivon’ny parlemantera. Ny iray izany mba fidin’ny antoko politika rehetra tsy manana olona ao amin’ny Antenimierampirenena.
R. Nd.