Fiaraha-miasan’ny Anja Madagascar sy ny Safidy : “Tokony hohamoraina ny zo hitory amin’ny fifidianana”

Olana tsy mbola voavaha tao anatin’ny taona maro. Nahatsikaritra ny eo anivon’ny Safidy, nandritra ireo fanaraha-maso nataony, fa ilaina ny fanatsarana ny fampanajana ny zo hitory amin’ny fifidianana. “Olana ny fahasarotan’ny paikady arahina sy ny fitondrana porofo, ny tsy fahampian’ny fotoana ahafahana mitondra ny raharaha ; ny tsy fahampian’ny enti-manana iatrehan’ireo fitsarana amin’ny fifidianana ny asany”, hoy izy ireo tetsy Anosy, omaly. Notanisain’izy ireo amin’izany koa ireo tsimatimanota amin’ny tontolon’ny fifidianana, ny tsindry politika azon’ireo mpitsara amin’ny fanatanterahana ny asany, ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana, indrindra ny famerenana ireo fifidianana nahitana olana. Tokony hohamafisina ny fampanajana ny zo hitory amin’ny fifidianana mba hahafahana miantoka ny fahitsin’ny fizotran’ny fifidianana ary hamerenana ny fahatokisan’ny olompirenena ny rafitra demokratika, araka ny nambaran’izy ireo.
Manoloana izany, hiara-kiasa amin’ny “Association nationale pour la justice administrative – Anja Madagascar” ny Safidy, araka ny fifanarahana nataon’izy ireo.

Fampahafantarana ny lalàna

Anisan’ny fiaraha-miasa ny tombana momba ny fifanolanana amin’ny fifidianana nanomboka ny taona 2018 sy ny taty aoriana rehetra. Eo koa ny atrikasa hanamafisana ireo fahaiza-manaon’ny mpisehatra amin’ny fomba fitondrana fitoriana na fifanolanana eo amin’ny fifidianana. Ma­na­mpy izany ny hetsika sy serasera hampahafantarana ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana.
Tsiahivina fa fikambanana mampivondrona ny maro anisa amin’ireo mpitsara ao amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny Anja. Tanjony ny fhampafantatra ny asan’ny Fila­kevim-panjakana  sy ireo fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ary ny fandraisana anjara amin’ny fampahalalana ny lalàna. Mirotsaka amin’ny fampiroboroboana ny rariny ara-pitantanana hanamafisana ny fanjakana tan-dalàna koa izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: