Fifanintsanana Can 2026: Tsy matahotra ny Nizerianina ny Barea

Hiakatra an-kianja rahampitso, atsy Uyo, Nigeria, ny ekipam-pirenena malagasy izay hifandona amin’ny ekipa nasionalin’i Nigeria. Efa vonona ny mpilalao.

“Andro iray sisa ”! Ho­tontosaina rahampitso, ao amin’ny Ki­anjan’ny Godswill Akpabio International, Nigeria, ny fi­haonan’ny Super Eagles Ni­geria sy ny Barean’i Mada­gasikara. Lalao tafiditra amin’ ny andro voalohany, fifanintsanana Can 2027 ho an’ny vondrona “L”. Nilaza ny kapitenin’ny Barea, Raveloson Rayan, tamin’ity herinandro ity, fa tsy matahotra ny Ni­zerianina izy ireo. Tsiahivina fa mbola manala vela amin’ny ekipa nasionaly malagasy ity ekipa ity. Efa resin’ny Ma­lagasy, 2 no ho 0, izy ireo na­ndritra ny Can 2019.
Efa niatrika ny fanazarantena nanomboka ny alatsinainy teo ny Barea. Hiezaka ny haka isa amin’i Nigeria ny Barea rahampitso. Marihina fa 25 ny mpilalao nantsoin’ny mpanazatra Corentin Martins. Iray ihany ny vaovao, dia ilay lohalaharana, i Roman Fer­ber, avy ao Luxembourg. Telo kosa ny avy eto an-toerana. Anisan’izany ry Tony, Elgeco Plus, i Bono sy Rado, Discip­les FC.
Ho an’i Nigeria, tsy afaka hiatrika ny lalao amin’io fotoana io i Victor Oshimen, lohalaharan’ny Galatasaray FC, diviziona voalohany any Eoropa, noho ny faharatrany, mbola tsy tomombana tsara. Hita mandritra io fihaonana io kosa ireo mpilalao misongadina atsy Eoropa, tahaka an’i Alex Iwobi, Fulham Anglisy D1, Akor Adamas, Venezia Italia, Ademola Lookman, Atletico Madrid D1 atsy Espagne. Ampahafantarina fa ny 29 septambra ho avy izao no hifanandrina amin’i Tanzania, atsy Maroc, ny ekipam-pirenena malagasy.

Fitia Randria

Partager sur: