Volley-ball – “Mada D1” : Hanomboka ny sabotsy izao

Mitohy ny fifaninanana ho an’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball (FMVB). Taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy D2, hiditra an-tsehatra indray ny D1. Hotanterahina manomboka ny sabotsy 26 septambra ka hatramin’ny 3 oktobra izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano izany. Afaka mandray anjara avokoa ireo ekipa avy amin’ny ligim-paritra mpikambana eo anivon’ny Federasiona malagasy ka manana ny taratasy voamarina. Ho an’ny ligin’Analamanga, misolo tena azy ireo ny klioba valo voalohany tamin’ny taom-pilalaovana 2024/2025. Ankoatra izay, ireo ekipa efatra niatrika ny manasa-dalana tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara D2 natao farany teo. Takina amin’ireo mpilalao mandray anjara koa ny fananana kara-pilalaovana 2025/2026 voamarin’ny ligy niaviana ary mpikambana ara-dalàna eo anivon’ny federasiona. Tsy azo ekena ny fampidirana mpilalao hanatevin-daharana amin’ity fifaninanam-pirenena ity.

Tompondaka

Partager sur: