Baolina kitra atsy Maurice : Lasa mpanazatra ny ASPL 2000 Rasoanaivo Titi

Nanomboka tamin’ny fa­nombohan’ny fifanintsanana afrikanina ho an’ireo ekipa tompondaka sy amboara, taranja baolina kitra, fantatra fa hanazatra ny ekipan’ny ASPL 2000 (Association sportive Port Louis) Maurice, Rasoanaivo Titi, eo amin’izany fifaninanana izany. Ekipa tompon’ny amboaran’i Mau­rice 2026 ary miatrika ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasionina ny ASPL 2000.
Raha tsiahivina, anisan’ireo ekipa nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny fihodinana faharoa izy ireo, rehefa nandavo ny Jwaneng Galaxy Football avy any Bostwana, teo amin’ny fihodinana voalohany. Hifanandrina amin’ny Durban City FC Afrika Atsimo izy ireo eo amin’ny dingana manaraka. “Ity fifanintsanana afrikanina ity ihany aloha no nifanarahana tamin’ny ASPL 2000 fa ho hita eo ny tohiny”, hoy i Titi. Tsy misy Malagasy ao anatin’ity ekipa maorisianina ity fa kosa ahitana teratany Ivoarianina sy Kongole. Na izany aza, efa mieritreritra ny haka mpilalao avy eto an-toerana izy ho an’ny taom-pilalaovana manaraka, raha ny fanazavana nomeny. “Tsy mbola any aloha izao fa mbola mifantoka amin’ny fanomanana ny lalao hikatrohana amin’ny Durban City aloha izahay izao”, hoy hatrany i Titi.
Tsiahivina fa efa nitondra ity ekipan’ny ASPL 2000 ity koa Rasoanaivo Fidy, zokin’i Titi, ny taona 2011 ka hatramin’ny 2012.

Tompondaka

Partager sur: