Naratra mafy vokatry ny daroka nataon’ny fokonolona azy ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany Ambodivoanjo, Ampangamena, kaominina Mahambo, afakomaly. Nisehoana tsy fifankazahoana teo amin’ity lehilahy ity sy ny anabaviny, araka ny loharanom-baovao. Naka antsy anefa ilay lehilahy ary nofirany avy hatrany ilay mpiray tampo aminy. Tapaka ny tanan’ity vehivavy lasibatra ka niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina izy. Nosamborin’ny fokonolona ilay nahavanon-doza. Nodarodarohan’ny olona ka naratra mafy. Tonga ara-potoana ny zandarimaria miasa ao Mahambo. Notanana ary atao fanadihadiana ity farany. Tsy afa-nanda intsony ity lehilahy ity satria sarona teo amin’ny toerana nitrangan’ny fifandirana ny fitaovana nampiasainy namonoany ny anabaviny. Nentina namonjy toeram-pitsaboana any Toamasina ilay vehivavy lasibatra.
Tsiferana R.





