Antoko MMM: manao fitsidihana any ivelany i Andrianainarivelo Hajo

Tsy ny fitetezam-paritra fotsiny ihany no iomanan’Andria­nai­narivelo fa efa miomana amin’ny vinany sy ny heviny momba ny fampandrosona an’i Madagasikara sy Afrika, amin’ny alalan’ny fitsidihany firenena maro any ivelany.

Mitsidika an’i Eoropa ny filoha nasionalin’ ny Antoko Malagasy miara-miainga, Andrianaina­rivelo Hajo, ankehitriny. Mi­haona amin’ny tompon’andraikitra ara-politika sy ara-toe­karena isan-karazany ary hiatrika ny fivoriana avo lenta roa sosona mahakasika an’i Afrika ihany koa. Nihaona tamin’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny ao amin’ny Antenimie­rampirenena frantsay, Jean Louis Bourlanges izy, ary nihaona ihany koa tamin’ny mpanangana ny fi­kambanana “Nouvelles Fron­tières”, Jacques Maillot, izay sady mpanangana ny “Corsair” ihany koa. Ny fihaonana tamin’ity farany moa dia nifantoka bebe kokoa tamin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara sy ny fampivoarana ny fifandraisana ana habakabaka.

Ny zoma teo dia tao Lis-bonne, Portugal, no niatrika fivoriana ny tenany niaraka tamin’ireo mpikambana afrikanina ao amin’ny Internatinale Démocrate-Centriste (IDC), mba hiresahana momba ny demokrasia eto Afrika. Noho izany, niompana tamin’ny fampiasana ny teknolojia ho fampiroboroboana ny demokrasia eto Afrika ny anjara fitenenan’Andrianainarivelo Hajo izay sady fotoana nahafahany namelabelatra ny vinany mahakasika an’i Afrika, indrindra fa momba ny fifidianana. Nanatrika ity fivoriana tao Lisbonne ity i Umaro Sissoco Embalo, filohan’ny Repoblikan’i Guinée Bissau no sady filohan’ny Cedeao, Ulisse Correia e Silva, Prai­ministra Cap Vert sady filo­han’ny IDC aty Afrika.

Aorian’ity fihaonana tao Lisbonne ity, hitodi-doha ho any Bruxelles, Belgique in­dray Andrianainarivelo Hajo ny talata ho avy izao handray anjara amin’ny Africa Poli­tivcal Outlook izay hiresahana ireo fanamby lehibe mahakasika ny fahaiza-mitantana aty amin’ny kaontinanta afrika­nina. Ny lohahevitra amin’izany ny hoe “2023: fahaiza-mitantana, fametrahana ny demokrasia ary fanamafisana ireo andrimpanjakana aty Afrika”. Manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny politika sy ny toekarena avy eto Afrika sy manerana izao tontolo izao no ho avy amin’io fivoriana io.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: