“Famaranana kely”. Niady sy nahoraka tanteraka ny fifandonan’ny COSPN sy ny GNBC, izay natao tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo. Tafavoaka ho mpandresy, tamin’ny isa, 67 no ho 56 ny zandary.
“Basikety izany leretsy e”! Notontosaina ny sabotsy lasa teo, tao Mahamasina, ny andro fahatelo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja basikety N1A lahy sy vavy. Ho an’ny lehilahy, anisan’ny fihaonana tena nandrasan’ny maro tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, ny adin’ireo ekipa samy mpitandro filaminana, ny polisim-pirinena COSPN, tompondaka farany sy ny zandarimaria nasionaly GNBC, tompondaka lefitra lasa teo. Lavon’ny zandary, tamin’ny isa, 64 no ho 57, ny avy amin’ny polisy, ary azo lazaina fa afabela ny GNBC. Tsiahivina fa efa resin’ny COSPN, tamin’ny isa, 67 no ho 56, ny GNBC, nandritra ny famaranana ny N1A, ny taona 2025 lasa teo.
Raha hiverenana kely ny fifandonana teny an-toerana, niady tanteraka ny lalao nandritra ny 40 minitra. Tao anatin’ny ampahefa-potoana voalohany, nanindry ny zandary, porofon’izany nitaritan’izy ireo, tamin’ny isa, 18 no ho 6. Taorian’io, nandritra ny folo minitra faharoa, vao niezaka nampihena ny elanelan’isa ho 23 no ho 29, ny polisim-pirenena, saingy mbola nitarika hatrany, ny zandary. Io isa io ihany no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Nitsimbadika kely ny isa, teny amin’ny solaitrabe, nandritra ny ampahefa-potoana fahatelo, lasa nitarika 43 no ho 40, indray ny COSPN. Nandritra ny ampahefa-potoana farany, nampangitangitaka an’ireo mpijery teny an-toerana ny lalao satria samy nampiseho ny heriny avokoa ireo mpilalao kalaza toa an-dry Marco, Livio, Anthony, Arnol, Bila, ho an’ny COSPN, ary nampihatra ny traikefany kosa ry Fabrice, Alex, Cedric, ary Fiary, atsy amin’ny zandary. Nifarana tamin’ny 67 no ho 56, ny fifandonan’ny roa tonta, nandresy ny GNBC.
Marihina fa hifarana ny 4 oktobra ho avy io, ny famaranan’ny fifaninanam-pirenena N1A.
Fitia Randria





