Mpitondra moto miisa telo matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena voalohany sy fahafito, ny alakamisy 24 septambra lasa teo. Olona iray tapa-tongotra.
Ben’ny Tanàna teo aloha tao amin’ny kaominina Morafeno, distrika Arivonimamo, ny iray tamin’ireo olona telo namoy ny ainy taorian’ny loza an-dalambe nitranga afakomaly. Nitondra moto ity olom-boafidy teo aloha ity kanjo tra-doza teo Ambohidranomanga, RN1. Nifandona tampoka ny moto roa izay samy nandeha mafy. Lasibatra tamin’io fotoana io izy sy ny lehilahy iray hafa. Tsy afa-nialana nenina intsony ilay ben’ny Tanàna teo aloha. Maty teo no ho eo izy. Tapaka tanteraka ny tongotra havia an’ilay lehilahy iray hafa. Ankoatra io, mpitondra moto roa niara-maty teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, ny andron’io alakamisy io. Lehilahy iray nitondra moto maty tsy tra-drano taorian’ny fifandonana tamin’ny kamiao teny amin’ny RN7, teo Andrangaina, avaratr’Ilempona, afakomaly maraina. Hiditra fiolahana hamonjy ny lalana mianatsimo ity mpitondra moto ity, araka ny angom-baovao. Olona iray hafa niharan-
doza tao Mandikamanana, PK107+ 150. Maty taorian’ny fahaverezan-dra be loatra ity farany.
Nitsirara
Olona iray hita faty teo afovoan’arabe teny amin’ny tetezan’Ankadievo, kaominina Alasora, omaly maraina. Niosin-dra izy ary heverin’ireo nanatri-maso ho niharan’ny lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy nahita ny tena zava-nisy marina ka tsy voafaritra, hatreto, ny antony nitarika ny fahafatesan’io lehilahy io. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Marihina fa ilaina hatrany ny fitandremana sy ny fanajana ny hafainganam-pandeha amin’ny toerana saropady toy ny fiholahana hisorohana ny loza tampoka.
Tsiferana R.




