Natao veloma farany tao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, omaly, ilay kintan’ny baolina kitra fahiny, Kira Michel, fantatrin’ny maro amin’ny anarana hoe Maitre Kira. Notontosaina nandritra izany ny fanolorana mari-boninahitra azy, ka nahazoan’Itompokolahy Maitre Kira, ny mari-boninahitra “Grand Officier de l’Ordre National Malagasy”, tamin’ny anaran’ny filohan’ny Fanavaozana Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Michaël sy ny minisiteran’ny Foloalindahy.
Tsy tazana teny an-toerana ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, fa ny solontenany ihany no nanatrika izany. Tsikaritra ihany koa, fa tsy nanatrika izany ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, fa ny solontenany ihany no tonga tamin’ity fanomezam-boninahitra farany ho an’i Maitre Kira ity. Mpilalao anisany nitondra avo ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ny taona 70 hatramin’ny 80, i Maitre Kira. Ankoatra ny baolina kitra, efa nitantana ny ligim-paritra Atsimo Andrefana tamin’ny taranja Rugby, ny lehilahy.
F.R





