Notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny Analakely, ny lanonana famaranana ny taom-panabeazana tao amin’ ny sekolim-baolina kitra Analakely Football Academy. Nisy ny fanoloran’izy ireo ny mari-pankasitrahana maro, ho an’ireo mpiara-miombon’antoka, ireo mpilalao mendrika ary ny ankizy afaka fanadinam-panjakana, sy ny fampiratiana ny amboara efa azo hatramin’izay. Nambaran’i Manitriniaina Steeve Princy, mpanazatra ny sekoly AFA, nandritra io lanonana io, fa misy ny fandehanan’ireo ankizy, hifanintsana any Dubai, ny faran’ny volana novambra ho avy io, raha tsy misy ny fiovana farany.
Raha ny fanazavana nataony, ireo mpilalao beazina, ao amin’ny sokajin-taona, U9 hatramin’ny U15, no handeha handray anjara amin’izany fifaninanana any ivelany izany. Nomarihany fa tokony ny volana avrily lasa teo izy ireo no nandeha tany an-toerana, saingy noho ny ady nisy tany ivelany dia voatery nahemotra izany. Ampahafantarina ihany fa, mitaiza ankizy lahy sy vavy, manomboka ny U5, U7, U9, U11, U13, U15, U17, diviziona faharoa (D2) lehilahy sy D1 vehivavy ny AFA. Tanjona hapetrak’izy ireo ho an’ireo mpilalao beazina ao moa, ny hahatafita azy ho any amin’ny sehatra matihanina ary ny haha olom-banona an’ilay mpilalao any aoriana any.
“Ho ahy manokana, efa mpilalao baolina kitra hatramin’izay ny tenako, ary nisafidy ny AFA aho hampidirako ny zanako satria fantatro ny lentan’ny fanabeazana ato sy ny fahaizan’ireo coach. Tsara ny fitaizana an’ireo ankizy ary manana vina lavitra kokoa toy ny mandeha any ivelany izy ireo”, hoy Andrianirimanana Elie Mahery, filohan’ny fikambanan’ny ray aman-dreny ao amin’ny AFA.
Tsiahivina fa ny volana aogositra 2022 no niforona ny AFA. Efa miroborobo tanteraka izy ankehitriny.
Fitia Randria





