“Tsy mpanongam-panjakana no avoakanay ao amin’ny Akademia Miaramila fa olona nokolokoloina ho tia tanindrazana sy ho tia vahoaka izay misy azy ao, ka hanaiky ny vahoaka”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fanolorana azy ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny Tafika malagsy teny amin’ny Mining Business Center (MBC), Ivato, ny fiandohan’ny herinandro teo. Notsiahiviny tamin’izany ny fihaonany tamin’ny filohan’i Gabon, ny jeneraly Brice Clotaire Oligui Nguema, fa hanomboka handefa mpianatra aty Madagasikara hianatra ao amin’ny Akademia Miaramila indray ry zareo Gabonais. Najanon’ny fitondrana teo aloha an-taona maro izany noho ny hoe lasa mpanongam-panjakana avokoa ny miaramila avy niofana taty Madagasikara. Ho reharehan’ny firenena izany Tafika Malagasy izany, rehefa nahavotra ny firenena malagasy, araka ny nambarany.
Tsara dia tsara ny nanaovana ny fehinkevitra. Saingy eo amin’ny fampiharana azy no ilana fahamailoana sy finiavana ary fahafoizan-tena. Miandry fiovana sy vokatra goavana eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana ny vahoaka malagasy. Koa andraikitry ny Hery fiarovana sy ny filaminana tanteraka izany, ary manana anjara lehibe amin’izany ny eo anivon’ny Tafika Malagasy. “Koa mirary aho mba hitondra vokatra tsara sy mivaingana eo amin’ ny fiainana andavanandron’ny Malagasy ny fampiharana ny vokatry ny fikaonandoha izao”, hoy izy. Hanamafy ny firaisankina eo amin’ny samy miaramila ny fanatsarana ny rafitra mandrindra ny Tafika.
Laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainam-bahoaka. Anisan’ ny zava-dehibe amin’izany ny fandriampahalemana.
R. Nd.





