Ny omaly tsy miova

 

Niaraha-niaina tao anatin’ny andro maromaro ny fiavian’ ny orana. Manomboka miseholany ny rano mivangongongongo etsy sy eroa. Efa mimenomenona ny ankamaroan’ny mponina eny amin’ny faritra iva. Manomboka miboiboika avy any anaty lakandrano ny rano maloto sy ny karazan-doto. Ny eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, ohatra, miverina tsikelikely ny manainga zipo sy ny an-kibabibaby.
Ny omaly tsy miova isaky ny fotoam-pahavaratra izao ny andavanandron’ny sokajin’olona maro eto Antananarivo Renivohitra. Tsy mahagaga anefa izany! Iaraha-miaina ny fanentsemana ny lalandrano etsy sy eroa. Ny fanotofana tany izay voalaza fa mihantona, mbola mandeha tsikelikely antsokosoko eny. Efa hentitra ny filohan’ny Fanavaozana mahakasika izany, saingy tsy mbola milamina tanteraka ny zava-drehetra.
Angaha hita! Ireto milaza ho madinika ato manao ny ataony. Tsy misy miraharaha ny ampitso izany, hany ka man­drora mitsilany. Ny tavimandry feno maloto, atsipitsipy eraky ny arabe. Ny fako sy ny poti-kanina, manentsina ny tatatra. Ny zava-doza, ny fanaovana maloto eny an’elakelan-trano. Tsy mahagaga raha mitady hahazo vahana sahady ny karazana aretina. Ny fahasemporana ateraky ny poizina noho ny rivotra maloto efa tsy asian-teny intsony.
Tsy sasatra anefa ny manao fanentanana ety am-piandohan’ny fotoan’ny orana. Mbola tsy tara raha dieny izao no miroso amin’ny fanadiovana ny manandrify ny tsirairay. Mifanindran-dalana amin’izay, tokony hihenjana ny Kao­minina Antananarivo Renivohitra amin’ny fampiharana ilay Satan’ny fahadiovana. Efa nahavelombolo ny fanenjehana ny mpandrorarora an-dalambe sy ny mpanipitsipy fako. Mila hamafisina ny any anaty sakeli-tanàna.
Tsy hiandrasana fitondrana ny fanavaozana, mitaky toe-tsaina miova, koa asakasak’izay hamorika ny tenany. Betsaka ny fanentanana sy fanabeazana nataon’ny manampahefana koa asakasak’izay tsy mba hiova!

r.r

Partager sur: