Ho raharaha izy ity

 

Mangingina, misoko miadana toa ron-gisa ny kajikajy politika anatin’ny tsy fisiana etika, amin’izao fotoana izao. Manomboka mivoaka tsikelikely ny adilahy madinidinika any anatin’ny antoko, fikambanana sy rafitra isan-karazany. Tsy hoe samy te ho lohany, fa misisika ny ho akaikin’ny tompony. Mihamazava ny lalan-kizorana ho an’ny efa galifantsy sy ampy traikefa amin’ny raharaha manga.
Maromaro ny hitsipaka sy ho voatsipaka ambavafo aoriana kely ao. Tsy ny mpanohana na ny mpanohitra fitondrana ihany fa ireo milaza ho tsy an’ny atsy sy ny eroa. Ny mpisababaka moa dia ho very an-javony eny rehefa tonga tokoa ny tokoa. Ilay fanaovana politika eto Madagasikara, takon’ny herin’ny vola sy ny fitiavan-tenan’ny sasany. Tsy mahagaga, mahazo laka ny tsy mena-mivadika sy ny mitsipa-doha laka-nitana.
Mety ho fitiavana tanindrazana ve ny fanarahandrenirano? Asa aloha fa raha ny eto amin’ny tanàna, efa tena lany henatra ry zalahy sy zavavy. Ny sasany mpanao hosana hosana, miventy ny homboy homboy. Ny mpanao homboy homboy, mahita fa tsara indray, hono, ny lalana ka mendrika ny hizorana. Nahagaga ny nahita ilay ramatoa iray niofo izay nilaza omaly fa azy indray, hono, ilay volom-boankazo. Nitsipaka ny voalazany 12 taona lasa izay.
Tsy hita ifanomezan-tsiny ny toy izany. Efa mahazatra fa tahaka izany ny fanaovana ilay politika “vita Malagasy”. Tsy baikoin’ny vahiny na ny mpanjanaka intsony, fa mifamorika sy mifamadibadika, ary mifanipaka an-karona eny, satria entin’ny fitiavan-tena. Zary kilalao ny tanindrazana. Mpitazana tsy afaka manao na inona na inona ilay vahoaka. Tsy afa-manoatra rahateo fa efa voasesika zavatra miiba ny lohany.

r.r

Partager sur: