Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle : Samy migadra izy sy ny reniny !

Nivoaka omaly ny didy mahakasika ny minisitry ny Fampianarana teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Voaheloka migadra dimy taona sazy mihatra izy. Marihina fa samy any am-ponja izany izy sy ny reniny, ankehitriny.

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana manameloka ny minisitra teo aloha sady olom-boafidy tao Fiana­rantsoa I. Nomelohin’ny fitsarana higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra izy. Anisan’ny vesatra niampangana azy ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka. Voasaringotra tamin’ny raharaha fanodikodinam-bola teo anivon’ny minisiteran’ny Fa­nabeazam-pirenena nandritra ny naha tomponandraikitra teo aloha azy koa izy.
Anisan’ny mpanohana
ny fitondram-panjakana teo aloha ny tenany. Olona nanana fahasahiany nijoro hatra­min’ny farany manoloana ny toe-draharaha-pirenena nisy teto Madagasikara. Niitatra ny raharaha, voasambotra izy, ny volana janoary 2026. Vesatra nisamborana azy tany am-boalohany ny fanaparitahana vola hanokorotanana ny fitondrana Fanavaozana. Nana­mafy izany ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna. Niakatra teny anivon’ny fitsarana tampony ny raharaha. Vokany, nohazonina vonji­maika tao amin’ny fonjan’Ava­radrano ity solombavambahoaka sady minisitra teo aloha ity. Ankoatra azy, olona miisa 12 voasaringotra, nahazo sazy mihantona heritaona.

Voafonja koa

Anisan’ny fianakaviana iharan’ny fanenjehan’ny lalàna koa ny renin’ity minisitry ny fampianarana teo aloha, sady olom-boafidy ity. Tsiahivina fa efa nahazo sazy higadra telo taona, sazy mihatra ny reniny, nanomboka tamin’ny volana jona 2026. Ben’ny Tanàna
teo aloha, niasa tao Fianaran­tsoa izy. Voasazy tsy mahazo misahana asam-panjakana mandritra ny roa taona sy tsy mahazo milatsaka hofidiana anatin’ny dimy taona ihany koa.

Tsiferana R.

Partager sur: