Novakian’ny olon-dratsy ny fasana iray ao Ambohimanjaka, fokontany Ambohidrakitra, kaominina Imerimandroso, omaly, tamin’ny 01 Ora sy 30 minitra atoandro. Nahatsikaritra ny fasana efa vaky ny mponina sendra nandalo handeha haka vilona, ka nampandre ny sefo fokontany tany Ambohidrakitra. Ity farany no nampandre ny zandary avy ao amin’ ny zana-tobim-paritra Imerimandroso. Nidina nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny zandary taorian’ny antso. Niaraka tamin’ny lehiben’ny fokontany sy ny Miaramila ary ny kartie mobila. Tonga teny an-toerana koa ny tompon’ny fasana lasibatra. Efa novakian’ireo olon-dratsy ny varavaram-pasana tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo manam-pahefana rehetra teny an-toerana. Lasa avokoa ny razana sy ny taolam-paty izay manodidina ny 27 isa teo ho eo. Razana telo sisa no navelan’ireo olon-dratsy, raha ny fanamarihana nataon’ny fianakaviana tompom-pasana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ireo manam-pahefana ihany koa fa tombanana efa ho herinandro teo no nahavaky io fasana io. Saingy izao vao tsikaritry ny mponina. Nentanina, araka izany, ny fokonolona mba hijery matetika ny fasany. Nametraka fitoriana ihany koa ny tompon’ny
fasana vaky. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary ao Merimandroso.
Mino





