Mitohy ny fahatrarana ireo mpangalatra tariby mitondra herinaratry ny Jirama tato ho ato. Lehilahy iray indray no lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ampahimanga, tany an-toerana, ny alin’ny talata hifoha omaly. Lehilahy miisa fito no niray tendro ka nangalatra sy nanongotra ireo tariby mitondra ny herinaratra tany amin’ny fokontany Alakamisikely, kaominina ambanivohitra Ampahimanga, disitrikan’Arivonimamo tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Nahatsikaritra olona maromaro nihanika andrin-jiro, ny zandary sy ny andri-masom-pokonolona nanao fisafoana sy niambina teny amin’ny manodidina, rehefa tonga teny amin’ny toerana atao hoe Mandrevomaina. Toerana somary mangina sy anaty hazo. Marihina fa efa nihanika tamin’ ny andrin-jiro maromaro ireo olon-dratsy ireo, tamin’izany. Nandositra avy hatrany ire8to farany vantany vao nahatazana ireo mpitandro filaminana. Tavela teny ambony andrin-jiro iray ny iray tamin’ireo jiolahy. Efa tafatsoaka avokoa ny namany rehetra vao niezaka nidina izy. Nampitandrina azy hijanona sy hanaiky hosamborina ireo mpitandro filaminana saingy niezaka nandositra nanenjika ny namany izy. Voatery nampiasa basy ireo zandary ka voatifitra tamin’izany, ity farany. Vokany, maty tsy tra-drano noho ny tifitra nahazo azy izy. Nahitana fitaovana maro fanapahana tariby teny aminy. Marihina fa tariby efa amina kilaometatra maro no lasan’ny mpangalatra tany amin’ny faritr’Itasy tato ho ato. Mitaraina, araka izany, ny mponina na ny mpiasan’ny Jirama, amin’izany asa ratsy. Manginy fotsiny ny fahatapan-jiro aterak’ireo halatra tariby mitondra herinaratra ireo.
Mino





