« Tsy hifaninana amin’ireo vondrona hafa na hanilika fa haneho firaisankina hikaroka ny fomba maharitra hamahana ny olana rehetra mianjady amin’ny kaominina sy ny vahoaka eny ifotony, toy ny ara-tsosialy, ny tsy fandriampahalemana ary ny fotodrafitrasam-pampandrosoana ny FBF. Amin’ny maha olom-pirenena sy tomponandraikitra voafidim-bahoaka anay ny antony nananganana izany”, hoy ny filoha mpitarika ny FBF, Randrianamboarina Jean Pierre, ben’ny Tanànan’ Ambatomarina, omaly, tetsy Antaninarenina, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo. Tamin’izany koa no nanaovany antso avo ho an’ireo ben’ny Tanàna rehetra handray azy ireo amin’ny fidinana ifotony kasain’izy ireo hatao manomboka amin’io herinandro io, ka any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy no hanombohany izany. Haka hevitra momba izay maharary ny vahoaka sy ny tsy mampandeha ny fampandrosoana eny amin’ny kaominina izy ireo mandritra izany. Hanangona hevitra sy handrafitra izany ho antontan-kevitra. Hatolotra ny Filoha izany avy eo hahafahana mandray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Ambatomarina koa fa efa mandeha ny famahan’ny fitondrana Fanavaozana ireo olana niteraka fiovam-pitondrana, herintaona lasa izay. Notanisainy tamin’izany ny fanarenana ny jiro, ny rano, ny lalana ary ireo fotodrafitrasa isan-karazany. Na izany aza, mbola ezaka hifanampiana amin’ny fitondrana mijoro ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny fanovana toe-tsaina. Mila tohanana, noho izany, ny hery mpanatanteraka izay ahitana ny governemanta, andaniny sy ireo ben’ny Tanàna eny ifotony, ankilany, hoy ihany izy. Antony mampijoro azy ireo hatrany. Ny ben’ny Tanàna dia tompon’andraikitra amin’ ny kaominina tantaniny ka tokony hahazo fahafahana manatanteraka ny andraikiny ao anatin’ny fanajana ny lalàna, ny mangarahara ary tsy misy teritery. Izany indrindra no nahatonga ny hetahetan’ ireo ben’ny Tanàna vonona hiara-hiasa hanangana sehatra iray afaka mampivondrona azy ireo, hifanohanana ary hanehoana ny feon’ny kaominina eny amin’ny sehatra nasionaly, raha ny fanambarana ihany.
Claude Eric





