FANTINA sy FINTINA

Nahitsy ireo fiarahamonim-pirenena ary nitaky ny tetibola ho an’ny fifidianana. Nambaran’izy ireo, omaly, fa hiatrika fivoriana ara-potoana faharoa ny solombavambahoaka amin’ny herinandro fahatelo amin’ ny volana oktobra. « Hodinihina amin’izany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ka tokony hazava ny vola ho an’ny fifidianana », hoy izy ireo.
Mila mailo ny filohan’ny Fanavaozana ny Re­poblika, araka ny nambaran’ny depiote teo aloha sady mpikambana amin’ny antoko Tsara Tahafina, Johasy Eleonore. « Fandrika ny fanohanan’ ireo olona mpisolelaka. Mila mijoro amin’ny foto-kevitry ny antoko misy azy ny mpanao politika tsirairay fa tsy miova loko isaky ny misy mpitondra vaovao », hoy izy.
Hosokafana ny masoivoho malagasy any Ejypta. Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izany. Tsiahivina fa misandrahaka amin’ny sehatra marolafy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny ara-barotra sy ny fotodrafitrasa, toy ny lalana Antananarivo-Toamasina.
Fomba fisan’ny Ceni tamin’iny volana septambra iny ny fitetezana biraom-panjakana mba hoentina manamora ny fisoratana anarana ao anatin’
ny lisitry ny mpifidy. Nambaran’izy ireo, omaly, fa mandrindra izany ny vaomieram-pifidianana eny anivon’ny Faritany ary mpanatanteraka mandray ireo hisoratra anarana ny eo anivon’ny CLRE.

Partager sur: