Niteraka fanehoan-kevitra maro ny vokatra azon’ny Barea Madagasikara nanoloana an’i Tanzanie, ny talata lasa teo. Tsy ny teto an-toerana ihany fa na ireo any ivelany aza, indrindra ireo mpilalao nandrafitra ny Barea teo aloha. Samy nanakiana ny fitantanana avokoa izy ireo ary mitaky baolina kitra madio.
Tsy mbola levon’ny vavon’ny Malagasy maro hatramin’izao ny tsy fahombiazan’ny Barea eo amin’ ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2027. Alahelo sy hatezerana no hita sy re eny an-dalana rehetra eny, hatrany anaty birao sy amin’ny tambajotran-tserasera. Nivoaka hatramin’ny resa-bola sy karaman’ny mpanazatra indray raha nilamindamina izany tao ho ao. Manoloana izany, tsy niandry ela koa ireo mpilalaon’ny Barea fahiny fa naneho ny heviny. Ireo mipetraka any ivelany aloha ireo nanao izany. Anisan’ireny i Voavy Paulin, izay nanakiana mivantana ny federasiona (FMF). Aminy, tsy tokony hanilika andraikitra izy ireo fa ny tsy fahaiza-mitantana no mahatonga izao olana rehetra izao. Nomarihiny fa nialoha ny lalao, hain’ny federasiona ny nisaotra ny fanjakana tamin’ny fanampiana ka rehefa misy tsy fahombiazana, ahilika any amin’ny olana ara-bola indray.
Nilaza kosa Andriamahitsinoro Carolus fa tsy tokony hafangaro ny vokatra eny an-kianja sy ny olana ara-bola. “Tsy vao izao akory no nisy izany olana ara-bola izany tao anatin’ny ekipam-pirenena ity fa efa niaina izany ny tenako saingy noho ny fitiavan-tanindrazana dia aleo mangina”, hoy izy. Nomarihiny fa zava-dehibe ny fitondrana ny fanamian’ny Barea ary mila mitady vokatra hampifaly ny vahoaka satria fitiavan-tanindrazana io fa tsy fitadiavam-bola. Na izany aza, nambarany fa tokony hahazo ny zony ara-dalàna ny mpilalao sy ny mpanazatra. Tsy miova amin’ny zavatra notakiny kosa Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha, dia ny “Baolina kitra madio”. Nohamafisiny io teny io tamin’izy namarana ny fitantarana ny lalao tao amin’ ny Canal Plus, ny talata lasa teo.
Tompondaka





