Raim-pianakaviana iray maty tsy tra-drano taorian’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Amoronankona, kaominina Ambohimangakely, omaly maraina. Nitondra moto marika Kymco ity lehilahy ity. Voadonan’ny fiara ka niafara tamin’ny loza tampoka. Nianjera tamin’ny arabe ka lavo tamin’ny tany ity lehilahy mitondra moto ity. Notetezin’ny kodiaran’ilay fiara avy eo ka simba vokatr’io ny lohan’ilay raim-pianakaviana. Nandriaka ny ra, maty teo no ho eo izy. Araka ny loharanom-baovao, ahina ho nikasa handositra ity fiara nandona ilay mpitondra moto ity kanjo niafara tamin’ny famonoana olona. Nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Notanana atao andrimaso ny mpamily fiara. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara. Filohan’ ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara teo aloha (SIM) ity namoy ny ainy ity, araka ny angom-baovao. Anisan’ny mpanorina an’io fikambanana io ny tenany tamin’izany fotoana. Hanaraka akaiky momba ity tranga ity ny fianakaviana noho ny loza izay ahina ho nisy tandrevaka avy amin’ny mpamily ny fiara. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.
Tsiferana R.





