Tsy diso toerana ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, raha nanompana ny lahateniny, omaly, tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, tamin’ ny ady hanoherana ny kolikoly. Anisan’ny sehatra iray ahazoana kiana mahakasika izany be indrindra ny mpitandro filaminana. Mifampitana amin’ny laharana alohaloha ihany ny maramara sy ny mpitsara ary ny tomponandraikitra amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Mazava ny fanambarany fa mila miala amin’ny fanaovana kolikoly ny manamboninahitra. Baiko ankolaka no nataony ho an’ireo mpiofana nahavita ny azy mba hitsinjo ny fahantrana, ny fahasahiranam-bahoaka. Zava-dehibe ny fijerena ny maha olona any ifotony. Indrindra amin’ny fanomezana tolotra tsy sandaina anatin’ny fanajana ny kalitao.
Manomboka sarotiny ny filoha. Ho hita eo, araka izany, ny fivoaran’ireo endrika kolikoly any anatin’ny fanadinam-panjakana izay handeha ato ho ato. Tokony hanomboka amin’ny fandraisana ny mpiofana amin’ny raharaham-panjakana ny fahadiovana. Sarotra amin’ny mpianatra efa volosan’ny mpanao kolikoly no hiasa amin-kitsimpo. Fampiasam-bola mila averina sy miteraka tombony ireny. Tahaka izany ny fisainana, hanadiovan-tenan’ireo mpanao kolikoly.
Mila manome kisary miabo ny raiamandreny manampahefana ho fakan-tahaka mendrika ho an’ny tanora. Tsy sanatrian’ny vava ho jamba mifampitantana na mpitari-bato vilam-bava. Tsy avy any amin’ny lohany no tokony hatsatso. Mila manome endrika tsara ho an’ny taranaka sy ho an’ny zandry ny zoky. Fitaratra mendrika fa tsy mpanova endrika ny toe-javamisy. Mila mamiratra!
r.r





